Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tarika ‘Zay: hihaona indray amin’ny mpankafy

Tarika ‘Zay: hihaona indray amin’ny mpankafy

Tsy mbola fampisehoana aloha… Kanefa mety hatsiro kokoa no ho ny fampisehoana goavana ity fihaonana ity, raha ny fahitana ny hafalian’ireo mpankafy. Fantatra mantsy fa manome fotoana azy ireo ny tarika ‘Zay, ny zoma 15 marsa izao etsy amin’ny La City Ivandry. Fihaonana izay haka endrika resadresaka ifanaovan’ny roa tonta: ny tarika ‘Zay, andaniny, ary ny mpankafy, ankilany.
Tsy vitan’izay fa hisy ihany koa anefa ny fizarana ireo hira mety mampanembona ireo mpankafy, arahin’ireo hira mety ho vaovao amin’ny sofina kanefa efa taloha, sy ireo mbola manitra be, anatin’ny rakikira ho avy. Anisan’ireny ny « Tsy ho avy intsony », izay vao vita rakitsary ary haseho voalohany amin’io fotoana io.
Efa ela ry Nary sy ny tariny no nampanantena ity karazana fihaonana amin’ny mpankafy ity, hamantaran’izy ireo ihany koa izay andrasana aminy. Fizarazarana ny vaovaon’ny tarika koa, mba hitoetra hatrany ilay fifanakalozana hatramin’izay. Ny toerana no ahina  ho tsy antonona ny tia sy ny manina…

Zo ny Aina

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique