Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Sakafo: mahasolo ny hena ny valala

Sakafo: mahasolo ny hena ny valala

Mandeha ny ketrika sy ny  fikarohana samihafa. Ahitana  proteina betsaka  tahaka ny hena  ihany koa izany izao ny valala. Tonga eto amintsika, amin’izao fotoana izao, ny mpikaroka vahiny, otronin’ny mpahay siansa malagasy, manatontosa tetikasa, mikendry ny hakana proteina amin’ny valala. Izany mety hahasolo  ny hena indray koa izany izao ny valala. Raha tanteraka tokoa ny tetikasa, heverina fa anisan’ny vahaolana hampihena ny tsy fanjarian-tsakafo eto Madagasikara ity atolotr’izy ireo ity. Manohana izany tetikasa izany ny Sampanasa ho fampandrosoana eo anivon’ny governemanta amerikanina (USAID), amin’ny alalan’ny tosika amin’ny vola, ao anatin’ny fandaharanasany “Partnerships for Enhanced Engagement in Research” (PEER).

Tsiahivina fa anisan’ny tsy afa-bela amin’ny valala matetika isan-taona ny faritra maro eto amintsika.  Mety vahaolana izany ny hisamborana azy ireny ary havadika ho sakafo, hisolo ny hena eo amin’ny kalitaony raha tsy mbola azon’ny ranom-panafody… Andrasana ny vokatry ny fikarohana… Mba tsy hipetraka ny hoe “ ny valala misy, ny mpilaza mahay”.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.