Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Rugby – «Top 6 océan Indien»: hidona amin’i Mayotte ny FTM

Hanomboka, ny asabotsy 16 marsa ho avy izao, ny andro voalohany amin’ny fifanintsanana, hiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina (Top 6 océan Indien), taranja rugby lalaovina olona 15. Fihaonana, karakarain’ny Aroi sy ny Malagasy rugby.

Hampiantrano ny ekipan’ny Desparados RC avy any Mayotte, etsy amin’ny kianja Alarobia, ny FTM Manjakaray, tompondaka lefitra malagasy. Raha ara-taratasy aloha, manantombo ny FTM Manjakaray, izay hilalao eo amin’ny kianjany. Inoana fa efa nanitsy ny lesoka tsy nety teo amin’ny fihaonany tamin’ny Cnaps Sport ny mpanazatra ny Manjakaray. Ankoatra izay, mialoha io, hisy lalao fihantsiana, hikatrohan’ny SCB Besarety sy ny FTA Andavamamba. Fileovana samy nahavita dingana goavana, nandritra ny taom-pilalaovana lasa, ireo ka hangotraka ny fihaonana eo amin’ny roa tonta. Eo amin’ny fiadiana ny “Top federal” vehivavy indray, hidona ny 3FB (Fahasalamana) sy ny RCTS Soavimasoandro.

 

Tompondaka

 

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique