Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Niverina ny fiaraha-miasa amin’i Israely: hampandroso ny firenena ny Club shalom Madagasikara

Niverina ny fiaraha-miasa amin’i Israely: hampandroso ny firenena ny Club shalom Madagasikara

Tsy afaka ny hitazam-potsiny noho ny fiverenan’ny fiaraha-miasa. Naneho fahavononana ny hitondra ny anjara birikiny ny eo anivon’ny Club shalom Madagasikara. “Miasa amin’ny sehatra rehetra manandrify azy ny mpikambana ho fampandrosoana ny firenena”, hoy ny filoha, Raherimasoandro Andriamamonjy, omaly tetsy Behoririka. Nanao antso avo ity klioba ity ho an’ireo namany nahazo fiofanana tany Israely hanatevin-daharana ary mandrisika sy mitaona ireo mpiray tanindrazana handray anjara amin’ireo fiofanana omen’ny fitondrana  israelianina. “Misy hatrany isan-taona ny tolotra momba izany”, hoy ihany izy.

Anisan’ireo klioba misy maneran-tany ivondronan’ireo teratany nahazo fiofanana tany Israely avy any Mashav ny Club shalom Madagasikara. Niorina ny taona 1992 ary mbola vitsy ny mpikambana tamin’izany. “Niezaka ny hamerina ny fifandraisan’i Madagasikara sy i Israely ny klioba. Tanteraka izany ny 24 janoary 1994, ary vita sonia tany Washington izany. Tonga teto amintsika, ny 21 desambra io taona io ihany, ny ambasadaoro israelianina tamin’izany… 30 taona tsy nisian’ny fifandraisan’ny firenena roa tonta”, hoy izy. Nanampy ireo teratany malagasy handranto fianarana sy fahaizana tany Israely teo amin’ny sehatry ny fampandrosoana ny eny ambanivohitra, ny fahasalamana, ny fanabeazana ny Club shalom Madagasikara.

Tsiahivina fa efa noraisin’ny filoha Rajoelina ny ambasadaoron’i Israely, i Lior Keinan, ny 5 marsa teo.

Synèse R.

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique