Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kandidà “Zoky Andry”: « Hampandrosoana amin’ny velirano 13 Arivonimamo »

Kandidà “Zoky Andry”: « Hampandrosoana amin’ny velirano 13 Arivonimamo »

Nambaran’ny kandidàn’ny IRD Arivonimamo, Rakotondravoavy Andry na i Zoky Andry, fa anisan’ny hampandrosoana iny faritra iny ny velirano 13. « Entiko sy anaovako tatitra ao anatin’ny Antenimiera ny hetahetam-bahoaka ary hoentiko any amin’ny filoham-pirenena. Tsy maintsy entiko miverina aty amin’ny vahoaka, nampandany ny filoha izany avy eo”, hoy izy. Nambarany fa efa vonona ny ekipa hanatanteraka ny asa fampandrosoana any amin’ny distrikan’Arivonimamo. Efa nitarika ny TGV hatramin’izay i Zoky Andry ary mahafantatra ny filan’ireo eny ifotony sy ny olana sedrain’ireo tantsaha. Manoloana ny resabe amin’ny filazana fa nisy ny fanilikilihana tany ambony any, nohitsiny fa misy tokoa ny sivana sy ny fepetra ao anatin’ ny antoko lehibe tahaka ny TGV/Mapar. Nandeha tamin’ny fifantenana ara-drariny izany. “Mila olona manana fahatsorana, mahitsy, tsy mpivarotra vava fa vonona hiasa ny filoha Rajoelina, araka ny fahafantarako azy. Toe-tsaina ao anatiny izany ka nametrahany olona na kandidà tahaka izany amin’ny distrika rehetra », hoy ihany izy. Natsidiny sahady fa hiresaka mivantana amin’ireo vahoaka any an-toerana, ato ho ato, ny tenany sy ny ekipany ary handray sy hihaino ny hetahetan’ ny rehetra. Efa maro rahateo ny asa sosialy sy ny fandraisana andraikitra nataon’i Zoky Andry amin’ireo kaomina ao anatin’ny distrikan’Arivonimamo.

Synèse R.

 

Les commentaires sont fermées.