Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Havatsa-Upem Arivonimamo: hisokatra ny taom-pikantoana

Havatsa-Upem Arivonimamo: hisokatra ny taom-pikantoana

Manana ny mampiavaka azy eo amin’ny fanokafana ny taom-pikantoana ny Havatsa-Upem, sampana Arivonimamo. « Niniana nampidirina ao anatin’ny fankalazana ny « Iray volan’ny poezia » izy ity », hoy Ravorombato, filohan’ny Havatsa-Upem, sampana Arivonimamo. Ny 20 marsa amin’ny 10 ora maraina, hotanterahina ao amin’ny lapan’ny Tanànan’Imerintsiatosika ny lanonam-panokafana sy fampirantiana asa soratra. Ny 21 marsa tontolo andro, fampirantiana sy antsa tononkalo. Ny 22 marsa kosa, antsa tononkalo tanterahina ao amin’ny efitrano malalaky ny kaominina Arivonimamo ambonivohitra.

Ny 20 marsa, hisy ny fanolorana salotra hasina ho an’ireo mpikambana. Ao ihany ny fanokafana fafana apetraka eo an-tokotanin’ny kaominina Imerintsiatosika. Ny any Arivonimamo kosa, eo amin’ny Clac no hisy izany. Ny ao Imerintsiatosika no hotokanana fa miara-misokatra amin’izay avy hatrany ny any Arivonimamo. Hapetraka eo amin’ireo fafana ireo ireo asa soratra anaty fandaharam-pianarana, ny asa soratry ny mpikambana ary ny tantaran’ny Havatsa-Upem. Ho avy hanatrika izao hetsika izao ny birao foiben’ny Havatsa-Upem sy ireo manam-pahefana ao Imerintsiatosika sy ao Arivonimamo.

HaRy Razafindrakoto

 

Les commentaires sont fermées.