Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fifidianana depiote: antoko politika 58 amin’ny 210 ny nandrotsaka kandidà

Fifidianana depiote: antoko politika 58 amin’ny 210 ny nandrotsaka kandidà

Ny antontanisa farany, taorian’ny daty farany nandraisana ny antontan-taratasy firotsahan-kofidina, afakomaly tamin’ny 5 ora hariva: 855 ny antontan-taratasy firotsahan-kofidina voaray amin’ny fifidianana solombavambahoaka, manerana ny fari-pifidianana na ny distrika 119 manerana an’i Madagasikara.

Izay ny fanazavan’ny filoha lefitry ny Ceni, Rakotonarivo Thierry, teny Alarobia, omaly, ny amin’ny antontanisa farany momba ny firotsahan-kofidina ho solombavambahoaka hatao ny 27 mey ho avy izao. Amin’ireo antontan-taratasy firotsahan-kofidina 855 ireo: efa nahazo ny fankatoavan’ny rafitra mpanamarina sy mpandrakitra an-tsoratra ny antontan-taratasy firotsahan-kofidina (Ovec) ny 125, ny iray nahazo fandavana; ary ny ambiny 729, eo am-pandinihana ny votoatiny ny Ovec.

Kandidà tsy miankina no betsaka

Amin’ireo antontan-taratasy firotsahan-kofidina 855 ireo: mirotsa-kofidina amin’ny anaran’ny tenany manokana avokoa ny 515 amin’izany, ary natolotry ny antoko na vondrona antoko politika ny 340. Nisy fametrahana antontan-taratasy firotsahan-kofidina avokoa manerana ny fari-pifidianana na ny distrika 119.

Amin’ny ankapobeny, 58 ny isan’ny antoko politika na vondrona antoko politika amin’ireo 210 mijoro ara-dalàna eto Madagasikara no nanolotra antontan-taratasy firotsahan-kofidina.

Ny vondrona Isika rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina no nandrotsaka be indrindra fa miisa 106, miisa 79 kosa ny avy amin’ny Tim; ny aorian’izay: 11, 9, 8… Ao amin’ny distrikan’i Mahajanga voalohany no misy kandidà be indrindra fa miisa 16.

Manohy ny asany ny Ovec

Manohy ny asany ny Ovec fa araka ny voalazan’ny lalàna: manana 72 ora andinihana ireo antontan-taratasy firotsahan-kofidina ry zareo. Miainga eo amin’ny fotoana nametrahana ny antontan-taratasy ny hoe 72 ora amin’izany, ahazoany mandinika azy. Amin’ny 19 marsa ho avy izao no hamoahan’ny Ceni ny lisitry ny kandidà solombavambahoaka ofisialy manerana an’i Madagasikara.

R.Nd.

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique