Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tonga rizareo

Tonga rizareo

Mazava ny resaka ankehitriny. Vonona hanampy ny fitondrana Rajoelina ny mpamatsy vola mahazatra. Vao nandeha tany atsimo ny filoha nijery manokana ny olan’ny rano, nanotrona azy ireo solontenan’ny mpanohana ara-bola sy ireo masoivoho ary ny solontenan’ny fikambanana iraisam-pirenena maro. Nanaiky ny hamatsy vinan’asa telo mahatratra 292 tapitrisa dolara avy eo ny Banky iraisam-pirenena. Nilaza i Coralie Gevers, solontenany eto amintsika, mahalala tsara ny momba an’i Madagasikara, fa tsy misy ny olana amin’ny fanampiana ny fandaharanasan’ny filoha vaovao. Nanamarika izany koa ny Tahirimbola iraisam-pirenena raha ny filazan’i Marshall Mills, mpanara-maso ny toe-draharaha toekarena momba izay indrindra eto ary andrasana ny ho tohin’ny tantara.

Nahazo 310 tapitrisa dolara avy amin’ny Tahirimbola iraisam-pirenena ny fitondrana HVM. Efa nisy ampahany maro azo ny sorabola. Hisy ary ve ny dinika vaovao sa ny ambiny sisa tavela aloha no omena dia miresaka avy eo? Isan’izay maha sarotiny an-drizareo ireto, ohatra, ny vola hatobaky ny fanjakana ho an’ny Jirama mba tsy hiakaran’ny vidin-jiro sy rano. Ho azy ireo, ampahany kely amin’ny vahoaka no misitraka ny vokatry ny Jirama ka miteraka fatiantoky ny volam-panjakana fotsiny izany. Ny fitondrana mijoro anefa, tsy mirona amin’izay. Ho azy, mampijaly ny mpanjifa ary mamono ny toekarena ny delestazy lavareny ka ilaina ny mamaha ny olona na handaniana mondron-kery aza. Eo ihany koa ny fanitsiana ny tetibola. Satria niova ny firafitry ny governemanta ary maro ny tetikasa tokony efa hiainga. Azo antoka fa didy hitsivolana ny hanaovana izany satria tsy mbola misy ny Antenimierampirenena. Ny kandidà ho solombavambahoaka aza, tsy marisika loatra hirotsaka. Ary efa hifarana sahady ity ny telo volana voalohany. Fotoana handrefesana sahady, ohatra, ny tahan’ny fampidiran-ketra izao. Mety hilatsaka ny hetra noho ny fanendrena tompon’andraikitra etsy sy eroa. Ireo very seza, tsy hitady intsony izay hahasoa ny firenena. Raha hatao bango tokana, mitohy ny fiaraha-miasa amin’ireo mpamatsy vola vaventy. Misy takalony ihany anefa izany ka sao tsy telina ny ngidiny avy eo.

Andrianjaka Vonjy

Les commentaires sont fermées.