Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Indray mijery

Nanolotra vola mitentina 100.000 dolara na manodidina ny 400 tapitria Ar ho an’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ny governemanta maorisianina. Fantatra izany, nandritra ny dian’ny delegasiona malagasy, tarihin’ny filoha Andry Nirina Rajoelina, any amin’ity Nosy rahavavy ity, amin’izao fotoana izao. Hoentina hanampy ny minisitera amin’ny ady amin’ny aretina kitrotro ity fanomezana ity.

Hanomboka amin’ny heriny androany (18 marsa) ny « Herinandron’ny teny frantsay sy ny frankofonia ». Hanokafana izany, etsy amin’ny AFT Andavamamba, ny fampirantiana, mitondra ny lohahevitra hoe « Dis-moi dix mots sous toutes ses formes ». Ankoatra izany, ho maro karazana ny fifaninanana : ny fifaninanana adihevitra, hihaonan’ireo mpianatra avy amin’ny ambaratonga ambony, ny fifaninanana sora-tononiny, ny fifaninanana vakiteny, sns.

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique