Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hevitra mandalo; resaky ny mpitsimpona akotry: antomotra ny fotoana, tomorona ny mpifidy

Tonga indray ity ny fotoana ahenon’ny mponina fanambarana fitiavana azy tsy misy toy izany. Ny mpilatsaka ho fidina filohampirenena mifaninana amin’ny fihorakorahana ny fitiavany tanindrazana ho henon’ny tany aman-danitra eram-paritra eto amin’ny nosy. Izay lanin’ny vahoaka anivon’ ireo mpifaninana no tompon’antoka eo amin’ny fitondrana ny firenena amin’ny fampiharana ny fitantanana arak’ilay tetika narosony anatratrarana ny tanjona napetrany. Na  samy manana fahefana mahasehana ny firenena manontolo no samy tompon’adidy eo anatrehan’ny vahoaka tsy vaky volo aza, tsara soritra ny fiavahan’ny fahefana sy ny adidy eo amin’ny roa tonta, ny Filohampirenena sy ny Antenimierampirenena.

Ny Antenimierampirenena moa mijoro araky ny fitambaran’ny solombava-bahoaka, ny tsirairay amin’izy ireto dia Solombava-bahoakan’I Madagasikara samy solontenan’ny mponin’ny distrika nifidy azy. Izany hoe ny andraikitra sahaniny sy ny fahefana ananany dia mivelatra eran’ny firenena, ny fototra niaviny dia voafehy ao anatin’ny fari-pifidianana iray. Zava-tsoa tsy hita amaivanina izany : araky ny tokony ho izy samy mahafantatra tsara ny fisehon’ny toe-draharaha sy ny mangidihidy an’ny mponina any amin’ny fari-pifidianana nihaviny ny depiote tsirairay, ny fitambaran’izany fahalalana tsara ny zava-misy any ifotony no anorenana ny fahatokisana ny maha solontenan’ny fahendren’ny vahoaka ny Antenimiera-pirenena. Eo amin’ny fahaizany mampita ny hetahetan’ny mponina hipaka amin’ny fitantanana ankapobe manerana ny nosy no tokony hitsaran’ny mpifidy ny depiote. Afaka lazaina fa sady tsy tompon’andraikitra mivantana no tsy manam-pahefana manokana izy ireo amin’ny fampandrosona manokana ny faritra niaviny. Ho an’izany ao ny fahefana mpanatanteraka na ny fitondrana faobe izany na ny fintantana ara-paritra araky ny fitsinjaram-pahefana. Nefa moa zava-mivaingana hafahafa noho ny lalàna nolanina no mahalina ny mponina sy itsaran’ny mpifidy, sarotra noho izany ny fandresen-dahatra rehefa tonga ny fotoana fampielezan-kevitra. Tolotolotra sy fanambarana fitiavana sisa fomba ifaninanan’ireo mpilatsaka ahafahana isontomana ny fon’ny mponina. Lasa fisontomana fo fa tsy fisarihana saina no resaka, izany hoe misangodina any ambonin’ny raharaha sahanina. Mahazo vahana arak’izany ny fanambatambazana mifanatahaka amin’ny kobaka am-bava mba tsy ilazana hoe famafazana siramamy eny amin’ny maso ho fanajambana ny fijery.

Léo Raz

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique