Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hevitra mandalo; resaky ny mpitsimpona akotry: Idongidongio sy ampifilafilao

Efa ampolo-taona maro izay no ankalazaina ny 8 Martsa atokana ho an’ny vehivavy, tsy mbola misy afaka tsapaina anefa ny fiovana vokatr’izany eo amin’ny fitovizan’ny fananan’ny vehivavy haja araky ny maha olona amin’ny lehilahy. Tsy atao resaka be moa ny maha samy hafa ny vavy sy ny lahy izay mifameno sy mifampila, samy manana ny adidy sahaniny koa moa eo amin’ny firaisa-monina araky ny fomba nandaminana azy tany aloha tany. Taloha izany ankehitriny nohon’ny fahasarotan’ny fiainana dia voatery tsikelikely nifampizara anjara amin’ny lehilahy amin’ny firotsahana ao anatin’ny sehatry ny asa mba hitondrany ny anjarany ahafahan’ny ao antokantrano mivelona arak’izay mety. Ao ankohonana anefa matetika mbola ny vehivavy ihany no misahana ny fikarakarana rehetra na momban’ny sakafo izany na momban’ny fampirimana sy ny fanadiovana, any ampiasana mazana mbola mandefitra foana ny vehivavy, fahaizana mitovy asa mifandanja izao mazana latsa-danja hatrany ny karama efaina ho an’ny vehivavy.

Arak’izany na any an-trano na any an-toera-piasana dia mitongilana hatrany ny fomba entina ho fanomezana ny haja mendrika ny vehivavy. Gaga ihany raha naheno fisina fanaingana ezaky ny vehivavy ho fankalazana ny 8 Martsa 2019 mba hanao rodobe hanadio ny tanàna any amin’ny fokontany iray tsy lavitra an’Antananarivo. Aoka rê ! Hidongidongio ataovy toy ny tsy heno izany antso sady diso làlana no mandiso tetika. Ny tena izy ho fankalazana an’ity andro ity tsy ny vehivavy no entanina fa ny lehilahy no kitikitihana atao izay ahatonga saina azy. Angamba ny fomba tena mandaitra ho an’izany dia ny fidongina amin’ny famelana ny ao an-trano hikorontana raha tsy misy mahatsapa ny anjarany amin’ny fanetre-tena andray kofafa. Toy izany koa ny momban’ny sakafo, avelao ho samy ramaka eo rehefa tsy manolo-tena isolo vaika amin’ny fikarakarana an’izany. Tsy afaka mialangalana fotsiny ianao madama izay manana mpanampy na amin’ny fikarakarana tokantrano na momban’ny fanomanana sakafo. Sa milaza ve anefa ianao fa tsy misy mihintsy sehatra na zavatra ahafahanao ampifilafilana na ny vady na ny zanaka lahy tsy mandray ravindena ? Toy izany koa ny eo amin’ny fitantanana raharaha-pirenena, mbola tsy mahazo ny mendrika azy ny vehivavy, rehefa antsasa-manila ny isan’ny lehilahy ny isan’ny vehivavy eo amin’ny toerana fandraisana andraikitra mazava ho azy fa tsy maintsy misy ny fiovana.

Léo Raz

 

 

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique