Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tselatra

Nidoboka vonjimaika am-ponja eny Antanimora, afakomaly rehefa avy natolotra ny fampanoavana ilay kaomandà niasa teny amin’ny Primatiora izay voarohirohy tamin’ilay raharaha fakana an-keriny tany Tsaratanàna. Heloka iampangana azy ny fanaovana fikambanan-jiolahy, fanaovana kolikoly. Maro rahateo ny fitarainan’ny olona tao Tsaratanàna tamin’ny fotoana nandalovan’ny praiminisitra sy ireo minisitra telo lahy misahana ny fandriampahalemana ka tamin’izany no nahavoasaringotra ity manamboninahitra ambony ity ary izao niafara tamin’ny fampidirana am-ponja azy izao. Efa lehiben’ny kaomandin’ny kaompanian’ny zandarimaria tao Tsaratanàna ity manamboninahitra ity.

Niteraka fitohanana nandritra ny ora maro teny amin’ny lalam-pirenena faharoa (RN 2) mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina, omaly ny fisian’ny kamiaobe nitsivalana teo afovoan’ny arabe teo anelanelan’Ampasimbe sy Antongobato. Voalaza fa olana ara-teknika tao amin’ilay fiara no nahatonga azy nitsivalana teo afovoan’ny arabe. Tsy nisy azo atao satria tsy afa-nahetsika teo afovoan’ny arabe ilay fiara. Sahirana ireo mpandeha hiakatra aty Antananarivo na ireo mpandeha hihazo an’i Toamasina.

 

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique