Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Rugby – CAN 2019: 78 mirahalahy hanaovana fifantenana

Ho fanomanana ny fiatrehana ny Can 2019, eo amin’ny taranja baolina lavalava, lalaovin’olona 15, hanomboka rahampitso etsy amin’ny HJRA ny fampivondronana voalohany, ireo mpilalao handrafitra ny Makis de Madagascar. Araka ny tatitra nataon’ny Tale Teknika Nasionaly, miisa 78 ireo nantsoina amin’ity ary mbola misokatra ny fisoratana anarana ka afaka tonga eny avokoa ireo tsy tafiditra anatin’ity lisitra ity. Hihintsana tsikelikely ireo ka ireo tena maharesy lahatra farany ny mpanazatra sy ny teknisiana mpanampy azy no ho voatazona hiatrika ity fiadiana ny amboaran’i afrika ity. Tanjona, hoy hatrany, ny teknisiana, ny hiakaran’ny Makis ao amin’ny vondrona A, efa roa taona mantsy izay no nijanona ho vondrona B ny ekipa malagasy. Saika ny mpilalaon’ny 3FB no maro an’isa, raha ny hita ao anaty lisitra, izay nahatafiditra mpilalao miisa 11. Hita ao ry Julio, Tanjona, Zo be. Eo amin’ny filaharana faharoa ny CNaPS Rugby, izay mpilalao 8 be izao no voaantso, isan’izany ry Poon, Said, Ismael. Mpilalao 5 kosa no voaantso ao amin’ny Cosfa, isan’izany ry Tahiana, Ismael, Mohamed sy ry Tiana. Nahatafiditra mpilalao 6 kosa ny FTM, ao anatin’izany ry Mika sy ry Robel. Saika samy nahatafiditra mpilalao ao anatin’ity kosa ry Soe, Stm, Scb, Tam, Tfa, Tfma, Uasc, Usa, Uscar, Ftba ary ny Vtma.

 

Mi.Raz

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique