Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Indray mijery

Anio no hanapahana ny tohin’ny hetsika fitakiana sendikaly tanterahin’ny mpampianatra mpikaroka eny amin’ny oniversiten’Antananarivo (Seces), araka ny fanambaran’ny filohan’ny sendikà, Ravelonirina Sammy Grégoire, omaly. Nifarana  alina ny fe-potoana 48 ora nomen’ny mpikambana Seces Antananarivo ho an’ny fanjakana hitondrana vahaolana amin’ny fitakiana momba ny ora fanampiny, ny « dérogation spéciale » ho an’ny mpampianatra voatazona hanohy ny asany, ny fanetsehana  ny « reclassement » izay naato aloha…Nanatona ny mpitarika ny sendikà ny solontena avy ao amin’ny fiadidiana ny primatiora fa tsy mbola nisy kosa ny zavatra matotra tapaka, ny tompon-trano rahateo tsy teto an-toerana fa namita iraka ivelan’Antananarivo.

Hitohy ny oram-baratra eto Antananarivo ho an’ny telo andro manaraka, araka ny fanazavan’ny teknisianina mpamantatra ny toetry ny andro, omaly. Handrahona ny tapany maraina fa miandry orana hatrany ny tapany hariva. Mety hisy tafiotra miaraka amin’ny oram-baratra na koa mialoha ny fiavian’ny orana. Mila miomana hatrany izany amin’ny aro orana samihafa, indrindra ny kilonga. Ny maripana 18 ° ny ambany indrindra raha 29° ny ambony indrindra eto an-dRenivohitra. Amin’ny ankapobeny, ho maina kokoa ny andro any amin’ny faritra Atsimo Andrefana sy Atsimon’ny Nosy. Hiverina ny oram-baratra amin’ny roa ampahatelon’ny tapany avaratry ny Nosy ka somary ho betsaka izany amin’ny faritra avo.

Ny tapany faharoan’ny herinandro, ny faritra avaratra andrefana (Boeny sy Sofia) no hahitana orana betsaka noho ny fiverenan’ny tsioky ny talio.

 

Les commentaires sont fermées.