Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ady amin’ny kolikoly: hiara-hiasa ny Sampati sy ny Bianco

Ady amin’ny kolikoly: hiara-hiasa ny Sampati sy ny Bianco

Olom-pirenena ny kristianina ary mandray anjara feno amin’ny fampandrosoana ny firenena. Izay indrindra ny nahatonga ny sampana Mpanazava sy tily (Sampati), eo anivon’ny fiangonana FJKM hiara-hiasa amin’ny Birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly (Bianco) amin’ny famongorana ity toe-tsaina mamohehitra ity.

Vita omaly ny fanaovan-tsonia izany fiaraha-miasa izany, ahitana ireo andraikitra sy adidy neken’ny andaniny sy ny ankilany amin’ny ady amin’ny kolikoly. Ao anatin’izany ny fanabeazana sy fanentanana ny besinimaro mba handa na tsy hanao kolikoly, ny fampiharana amin’ny fiainana andavanandro izany ady amin’ny kolikoly izany, amin’ny alalan’ny fanampiana sy fanoloran-kevitra ny olom-pirenena. Hajoro, eo anivon’ny Sampati, ihany koa ny rafitra mpanara-maso sy fampahafantarana ireo trangana kolikoly.

Maharitra herintaona, izay mbola azo avaozina, ity drafitra hoentin’ny Sampati sy ny Bianco miady amin’ny kolikoly ity. Ho fanatrarana ny tanjona, entanina ireo mpikambana ao amin’ny Sampati foibe sy ny any amin’ireo rantsana 37 ao amin’ny synodam-paritany. Hamafisina ny fahalalana sy ny fahaiza-manaon’izy ireo amin’izany ady amin’ny kolikoly izany ka hisy ny fiofanana manokana.

Landy R.

 

Les commentaires sont fermées.