Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Maep: namboly zana-kazo miisa 2 000

Maep: namboly zana-kazo miisa 2 000

Natao teny Imerintsiatosika (RN 1; PK 28), distrika Arivonimamo, omaly, ny fambolen-kazon’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana ary ny jono (Maep). Miisa 2 000 ny zana-kazo nambolena ka nanoloana ireo maty tamin’ny zana-kazo 2 500, nambolena ny taona 2018, ny 500, ary vaovao ny 1 500 amin’ny velaran-tany 1,6 ha. Karazana acacia mangium ny zana-kazo nambolena.

Nambaran’ny minisitra Ranarivelo Lucien fa tafiditra ao anatin’ny Velirano fahafolo ny fambolen-kazo. Ao anatin’ny fitantanana ny harena voajanahary maharitra sy lovain-jafy. Fampiroboroboana ny fizahantany maharitra, fanomezan-danja ny harena an-kibon’ny tany, fiarovana ny biby sy ny zavamaniry ary ny tany. Miaro ny fandripahana ny tontolo iainana ny fambolen-kazo.

Njaka A.

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique