Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Indray mijery

Nigadona an-tanindrazana, anio, ny nofo mangatsikan’i Andotiana raha tsy nisy ny fiovana. Anisan’ny niantoka ny fampodiana izany ny fanjakana, amin’ny alalan’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny. Tokony ho tonga androany tamin’ny telo ora maraina teo izany. Tsiahivina fa izy ilay tovovavy nianatra tany Frantsa, tsy hita nandritra ny fotoana maro. Hita ihany anefa izany, saingy efa ny vatana mangatsiaka ny sisa.

Nomarihina, omaly, ny nahaterahan’i Baden Powel na « BP ». Teraka ny 22 febroary 1857 ity mpanorina ny skoto maneran-tany ity. Ankalazaina isaky ny 22 febroary izany tsingerintaona izany. Manao fanamiana “mijijy” ahafantarana azy avokoa ireo skoto amin’io andro io na any am-piasana na any am-pianarana sy amin’ny toerana rehetra ahitana azy ireo. Tsiahivina fa miaramila britanika i BP.

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique