Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

“Fepa 2019”: hisongadina ny fiompiana sy ny fambolena ary ny jono

Hatao, ny 30 mey hatramin’ny 2 jona ho avy izao, ny “Tsenaben’ny fiompiana, ny jono ary ny fambolena” (Fepa) andiany 2019 eny amin’ny kianja Maki Andohatapenaka. Miaraka mikarakara azy ny Malagasy matihanina amin’ny fiompiana (MPE) sy ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana ary ny jono (Maep).

Miisa 200 ny tranoheva amin’ity “Fepa 2019 ity”, ahitana ny sehatra rehetra, toy ny  famokarana sy ny fanodinam-bokatra, ny lafiny fitaovana sy ny kojakoja, ny zezika sy ny masomboly, ny fanafody ho an’ny fambolena sy ny fiompiana, ny sampandraharaha momba ny vola, ny tetikasa sy ny fandaharanasa. Eo koa ny lafiny fiarovana ny tontolo iainana. Manodidina ny 30 000 ny mpitsidika andrasana.

Fiofanana maimaimpoana

Fotoana hihaonan’ny mpandraharaha sy ny mpiara-miombon’antoka isan-tsokajiny ny “Fepa”. Fikarohana lalambarotra sy mpanjifa. Hisy famelabelarana sy fiofanana maimaimpoana ho an’ny mpitsidika amin’ny seha-pihariana samihafa.

Hisongadina amin’ity ny fandraisana anjaran’ny vahiny avy atsy amin’ny ranomasimbe Indianina, avy any Eoropa ary avy any Azia, amin’ity andiany ity. Eo koa ny fampirantiana na fivarotana biby tsara karazana toy ny alika, ny fitaingenana soavaly, ny kilalao samihafa, sns.

Njaka A.

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique