Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Farakely: hihaona amin’ireo mpankafy

Farakely: hihaona amin’ireo mpankafy

Tonga ilay fotoana nifanomezana… Hihaona amin’ireo mpankafy azy i Farakely, anio. Miandry izay liana hifanerasera aminy etsy amin’ny Twenty Six Karibotel Analakely ity mpanakanto ity, manomboka amin’ny 10 ora maraina. Hisy ny fiarahana mivazovazo, na ny fanaovana “cover” ny hiran’i Farakely mandritra izany. Eo koa ny fiarahana maka sary, ny fandrangotana ny rakikira, sns.
Mikasika izay indrindra, fotoana hampahafantarana voalohany ny mpankafy ny rakikira faharoa io. Hivoaka androany koa mantsy ny “Nofiko”, tohin’ny “Tafaray isika roa”. Afaka mifandimby tonga ireo mpankafy, hatramin’ny 4 ora hariva.

Zo ny Aina

Les commentaires sont fermées.