Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ho an’ny 10 taona ho avy: nandrafitra ny asa hataony ny faritra Boeny

Niara-nivory namaritra drafitra ho fampandrosoana ny faritra (PRD)* ny any Boeny tamin’ity fiandohan’ity herinandro ity. Nitarika ny fivoriana ny tale fampandrosoana ny faritra, Randriambololona Marcellin, niaraka amin’ny mpiara-miombon’antoka teknisianina sy mpamatsy vola.

Nofaritana tamin’io fotoana io ny drafitra fampandrosoana ny faritra Boeny ho an’ny 10 taona manaraka sy ny paikady hoentina hanatanterahana izany. Ilaina ho fantatry ny rehetra ny paikady na hevitra ho fifanomezan-tanana hampiharana azy. Notsiahivina fa maro ny dingana efa vita, toy ny fakan-kevitra teny amin’ny distrika enina. Teo koa  ny fanaovana jery todika ny vita tany amin’ny 10 taona lasa.

Ao aorian’izao fivoriana izao, harafitra ny hevitra rehetra manan-danja voaangona avy any ifotony. Haroso manoloana ny Komitim-paritry ny fampandrosoana izany avy eo, handraisana tolokevitra avy amin’izy ireo ka amin’ny volana mey ho avy izao no heverina hanatanterahana ny  fankatoavana ny PRD Boeny  ho  an’ny folo taona manaraka. Tsy azo hadinoina anefa fa miova izao ny drafitra fitantanana ny faritra amin’ny alalan’ny governora.

 

R.Mathieu

 

 

Les commentaires sont fermées.