Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Indray mijery

Nampahafantarin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, ny fampianarana teknika fandaharam-potoan’ireo fanadinam-panjakana, amin’ity taona 2019 ity. Hatao ny 27 aogositra ny fanadinana CEPE, raha ny 9 hatramin’ny 12 septambra kosa ny BEPC. Maimai-poana ny fisoratana anarana amin’izany. Hanomboka ny herinandron’ny 30 septambra kosa ny bakalorea. Momba ireo fanadinam-panjakana hafa, ny 9 hatramin’ny 11 septambra ny CFA, ny 16 hatramin’ny 19 septambra ny BEP ary ny 23 hatramin’ny 26 septambra kosa ny CAP.

Mbola any amin’ny lakan-dranon’i Mozambika, ilay andian-drahona matevina. Hitondra ora-mikija sy rivo-mahery, mahatratra 45km isan’ora, sy tafio-drivotra, hatramin’ny 60km isan’ora, izany. Voakasik’izany ny any Melaky, Menabe, Atsimo Andrefana ary Androy. Filazana loza miloko maitso ho an’ny any  Besalampy, Maintirano, Antsalova, Belo Tsiribihina, Morondava, Mahabo, Manja, Morombe, Toliary I II, Betioky Atsimo, Ampanihy, Bekily, Beloha, Ambovombe ary Tsihombe. Hiakatra  3m hatramin’ny 5m kosa ny haavon’ny onja.

 

Les commentaires sont fermées.