Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra – Ligin’Itasy: roa ny kianja handray ny manasa-dalana

Kitra – Ligin’Itasy: roa ny kianja handray ny manasa-dalana

An-dalam-pamitana ny fifaninanana amin’izao fotoana izao ireo ligy 22 manerana ny Nosy, taranja baolina kitra. Ho an’ny ligin’Itasy manokana, hiditra amin’ny lalao manasa-dalana izy ireo, ny alahady 24 febroary izao. Hampiavaka ny amin’ity indray mitoraka ity ny fisian’ny kianja miisa roa handray ny fihaonana, samy hahitana fifaninanana amin’ny fotoana mitovy. Anisan’izany ny kianja monisipaly Arivonimamo, handray ny fifandonana eo amin’ny CNaPS Sports sy ny FC Tapia avy ao Arivonimamo. Raha ara-taratasy, manantombo ny tompondakan’i Madagasikara farany. Tsy ambaka izany anefa ny tompon-tanàna izay tsy maintsy ho tonga maro hanohana ny ekipany.

Eo amin’ny lalao manasa-dalana ilany kosa, hotanterahina any amin’ny kianjan’Analavory ny fifanandrinana eo amin’ny Jet Mada sy ny FCT Analavory, hanomboka amin’ny 1ora sy sasany tolakandro. Mbola manana ny vintana ity ekipan’i Careca sy i Odon Michel ity ary mieritreritra ny mbola hitazona ny anaram-boninahitra tamin’ny taon-dasa ho eo am-pelatanany. Araka ny làlana, manana anjara solontena roa ity ligin’Itasy ity amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, noho izy nahazo anaram-boninahitra teto amin’ny firenena tamin’ny alalan’ny CNaPS Sport.

 

Mi.Raz

Valin-dalao ny faran’ny herinandro teo:

FCT (3) # ( 2) Jamaique

CNaPS (6) # (0) ZHA

FC Tapia (3) # (1) Coram Manalalondo.

 

Les commentaires sont fermées.