Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Niaina vanim-potoana maro: 120 taona ny farmasia Métropole

Niaina vanim-potoana maro: 120 taona ny farmasia Métropole

Feno 120 taona, ny volana febroary 2018, ny farmasia Métropole Antaninarenina ary mamarana ny fanamarihana izany amin’ity volana febroary ity ny mpitantana. Ny jeneraly Galliéni no nitokana azy voalohany ny 19 febroary 1898 izay naorina tao anatin’ny Maison de la Métropole. Mifandrohy amin’ny tantaran’i Madagasikara ny niorenan’ity toeram-pivarotana fanafody ity.Nandalo vanim-potoana maro niainan’ny firenena izy : fanjanahan-tany, fahazoana ny fahaleovantena, ny tolom-bahoaka samihafa nitranga…Betsaka ny farmasianina nifandimby nitantana ny farmasia Métropole ary namela lova, indrindra teo amin’ny tontolon’ny fivarotam-panafody sy ny fikirakirana ny fanafody teto Madagasikara.

Nivoatra nanaraka ny vaninandro ny fomba fiasa sy ny fotodrafitrasa tao amin’ny farmasia ary miezaka manome fahafapam-po ny mpanjifa sy ny marary ny mpitantana. Vokany, nahazo ny mari-pahalalana ISO 9001 nomena ny taona 2015 avyamin’ny AFNOR ny farmasia Métropole. Natokana hisaorana ny mpiara-miasa sy ny mpiasa ny hetsika, anio, eny Antaninarenina sady hanakatonana ny fanamarihana ny 120 taona nijoroan’ny farmasia Métropole.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.