Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Mila vola 14 miliara Ar ny Pam: tsy afa-misakafo ny mpianatra 120 000

Mila vola 14 miliara Ar ny Pam: tsy afa-misakafo ny mpianatra 120 000

40% amin’ny ankizy 300 000 mianatra any amin’ny EPP ao amin’ny faritra Anosy, Androy ary Atsimo Andrefana no tsy afa-nisitraka sakafo an-dakilasy intsony, nanomboka ny volana novambra lasa teo noho ny tsy fahampian’ny vola ao amin’ny Fandaharanasan’ny Firenena mikambana momba ny sakafo (Pam) entina mamatsy izany. Tsapa sahady fa mihena ny tahan’ny fidirana an-tsekoly ary manahy ny fialana an-daharana ny tomponandraiktira any an-toerana, vokatr’izany. 14 miliara Ar ny sora-bola ilain’ny Pam hanohizana ny fizarana sakafo an-dakilasy raha tiana hitohy hatramin’ny fiarafan’ny taom-pianarana ny mpianatra 120 000, araka ny vaovao nampitaina.

« Manahirana ny zava-misy satria efa tsy afaka mandrakotra ny faritra rehetra mila tohana ara-tsakafo ny Pam nefa mbola tsy maintsy ahena ny tohana omena », hoy ny solontenan’ny Pam eto amintsika, Moumini Ouedraogo. 50 dolara isan-taona ny vola ilaina hanomezana sakafo ho an’ny ankizy iray. Manao antso iraisam-pirenena ny Pam satria mety hanimba ny ezaka vita rehetra izao fampihenana ny sakafo zaraina izao.

Araka ny fanadihadiana, tena ilain’ny mpianatra ny sakafo satria indraindray ny sakafo zaraina any an-tsekoly ihany no miantoka ny tontolo andro ho an’ny ankizy maro.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.