Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Miaraka amin’ny Pam: hotovozintsoa ny vary

Miaraka amin’ny Pam: hotovozintsoa ny vary

Sakafo tsy afa-misaraka amin’ny Malagasy ny vary izay foto-tsakafo hanina intelo isan’andro ho an’ny ankamaroany. Mba hisorohana ny tsy fanjarian-tsakafo mahazo ny Malagasy amin’ny tsy fahampiana ny singa mpamelona amin’ny vatana, tapaka fa hotovozintsoa ny vary. Sady atao sakafon’ny mpianatra any amin’ny toeram-pisakafoana rahateo ny vary ary manomboka amin’ny faha enim-bolany no mihinana kobam-bary ny zaza. Efa nisy ny dinika niaraka amin’ny mpampakatra vary eto an-toerana sy ny tantsaha amin’ny fomba hanovozantsoa ny vary ka hahatonga azy hitondra ny singa mpamelona ilaina. Rehefa vita toto ny vary, afangaro aminy ny singa mpamelona toy ny vitamine sy ny Fer mialoha ny hitsinjarana azy eny amin’ny tsena samihafa, hoy ny tomponandraikitry ny fanjarian-tsakafo ao amin’ny Pam, i Leila Masson, tany Fiaferana.

Amin’izao fotoana izao, manadihady ny singa mpamelona tena mbola tsy ampy ho an’ny vatan’ny Malagasy ny manam-pahaizana ary mijery ny paikady mahomby hanovozantsoa ny vary. Hisantarana ny tetikasa ny kaominina Fiaferana satria misy ny tetikasa tambatra iadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo izay hanampiana ny tantsaha hanatsara ny vokatra.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.