Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kaominina Fiaferana: misy tetikasa tambatra iadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo

Kaominina Fiaferana: misy tetikasa tambatra iadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo

Hanaovana tetikasa tambatra iadana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo ny kaominina Fiaferana, distrika Antananarivo Avaradrano.

Tanjona voalohany ny hisorohana ny tsy fanjarian-tsakafo mahazo ny zaza latsaky ny 5 taona. Ambony ny tsy fahampian-danja eo amin’ny zaza madinika manodidina ny 50% izay tondro iray amin’ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka eo amin’ny zaza latsaky ny 5 taona. Haharitra telo taona ny tetikasa ka mpamatsy vola ny Principauté de Monaco amin’ny sora-bola 2 tapitrisa euros, hoy ny consul honoraire ny Monaco et amintsika, i Cyril Juge. Hanatanteraka ny asa kosa ny ACF, AVSF, Gret ary ny Fandaharanasan’ny Firenena mikambana momba ny sakafo (Pam) fa mandrindra ny sahanasa rehetra ny Ofisim-pirenena momba ny fanjarian-tsakafo (ONN), araka ny fanazavan’ny mpandrindram-paritry ny ONN eto Analamanga, Randriakotomihaja James Odon, omaly teny Fiaferana. Asa voalohany ny fametrahana toby PNNC/Seecaline fito vaovao ho an’ny fokontany fito tsy mbola manana ary fanatsarana ny tolotrasa ho an’ny telo efa manana toby, amin’izao fotoana izao. Hametrahana toeram-pisakafoana avokoa ny EPP sivy ao anatin’ny kaominin’i Fiaferana ka ny vokatra avy amin’ny tantsaha ihany no hamatsiana izany. Manana voka-bary tsara sy legioma betsaka ny kaominina, hoy ny ben’ny Tanàna, Ranaivoson Hanitra. Ankoatra ny tohana amin’ny sakafo, averina ny fampiasana ny carnet momba ny fahasalaman’ny mpianatra any an-dakilasy ary homena fiofanana ny mpitsabo mandray an-tanana ny zaza tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo. Paikady vaovao koa ny fanovozantsoa ny vary foto-tsakafon’ny Malagasy ka ny singa mpamelona ilaina no afangaro amin’ny vary amin’izany, araka ny nambaran’ny tomponandraikitry ny fanjarian-tsakafo ao amin’ny Pam, i Leila Masson.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.