Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Jery taratra… herinandro: asa hirosoana amin’izay…       

Nanatrika ny Fihaonana an-tampony faha-32 nataon’ny Vondrona Afrikanina (UA) tany Addis- Abeba, Etiopia, ny delegasiona malagasy, notarihin’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina  Andry. Nanana anjara fitenenana izy noho ny nahavoafidy azy ho filohan’ny Repobika. Nambarany amin’ny tokony hivondronan’i Afrika tsy ho fakana akora fototra fotsiny, ka hijanona ho mahantra mandrakariva.

Maro ireo filoham-panjakana sy tomponandraikitry ny fikambanana iraisam-pirenena nihaona tamin’ny delegasiona malagasy tamin’izany: ny filoha ivoarianina, ny filoha etiopianina, ny tomponandraikitry ny Bad, ny Nepad… Fototry ny dinika ny fitadiavana lalam-bola sy fiaraha-miasa hamenoana ny banga eo amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara nandritra izay 60 taona latsaka kely izay.

Tsy afa-po amin’ny tahan’ny mpifidy vaovao misoratra anarana amin’ny lisi-pifidianana ny eo anivon’ny Ceni. Tsy misy afa-tsy 0,83% izany manerana an’i Madagasikara, na nifarana vonjimaika omaly aza. Namory ireo lehibem-pokontany ny Ceni, handrindrana ny fisoratana anarana. Eo koa ny fanentanana ny mpifidy hisoratra anarana sy hanamarina izany eny anivon’ny fokontany.

Nilaza ny Praiminisitra Ntsay Chirstian, nanomboka ny taom-pianaran’ny Sekolim-pirenena momba ny fitantanan-draharaham-panjakana (Enam), fa tsy azo ihodivirana ny fanovana amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana. Sehatra anjakan’ny kolikoly sy ny hosoka ny raharaha ho an’ny vahoaka. Tsy maintsy atrehina ny fanovana, raha tiana ny hahombiazana amin’ny fampandrosoana.

Niavaka ny fahatsiarovana ny faha-44 taon’ny nahafatesan’ny Kly Ratsimandrava, niarahan’ny zandary sy ny polisy ary ny miaramila. Nitarika ny fotoana ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta, nilaza fa olomangan’ny firenena ny kolonely Ratsimandrava ary fakan-tahaka. Nisy ny fanomezana mari-pankasitrahana ireo polisy sy zandary maty teo am-perinasa, taona 2018-2019.

R. Nd.

 

 

Les commentaires sont fermées.