Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

FNCLM sy ny voly hazo: ezahina homen-danja ny natiora

FNCLM sy ny voly hazo: ezahina homen-danja ny natiora

Hanao ny adidiny amin’ny fambolen-kazo ny Fédération nationale des clubs Lion’s et Léo de Madagascar (FNCLM) ny 23 febroary ho avy izao any Behenjy, RN7 –PK 48. Andiany faha-11 amin’ny fambolen-kazo ny hataon’ny FNCLM tarihin’ny filohany, Rtoa Trivico Ranaivo Paquerette, amin’io fotoana io, ka hanentanany ny rehetra, indrindra  ny tanora hanao izany adidy masina izany.

Vokatry ny ataon’ny olombelona ihany ny mahatonga izao fiakaran’ny hafanana sy fiovan’ny toetr’andro manapotika ny tontolo iainana izao. Lasa ny fivoaran’ny siansa sy ny teknolojia noforonontsika olombelona ihany no mamono antsika ankehitriny, satria ataontsika ambanin-javatra ny natiora, araka ny voalazan’ny mpahay siansa maro mitodika any amin’ny rehetra.

Tsy misy hafa izany ny tanjon’ny FNCLM, mandray anjara tsy tapaka. Notsiahivin’ny filohany, Rtoa Trivico Ranaivo Paquerette, ny zana-kazo 3000 voavoly tamin’ny taon-dasa,  arahi-maso miaraka amin’ny « Iarivo, Farimbona, Manjakamiadana, Farafangana, Analamanga, Léo Ranovisy Antsirabe, Léo Tranovola ».

 

R.Mathieu

Les commentaires sont fermées.