Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Taratry ny kanto

Njakatiana – Live Hotel
“Avelao aho hitia anao”. Nalaina tamin’ny tononkiran’i Njakatiana, entiny indrindra hatao lohahevitry ny fampisehoana, izay hotontosainy anio, manomboka amin’ny 9 ora alina, etsy amin’ny Live Hôtel Andavamamba. Mazava loatra fa ao anatin’ny fanamarihana ny fetin’ny mpifankatia ny fiarahana, hitondran’ity mpanakanto ity ireo hiram-pitiavana rehetra noforoniny na nataony tao anatin’izay taona maro izay.

Olombelo Ricky – Louvre
Tsy hanamarihana ny fetin’ny mpifankatia kosa, fa natao hanomezam-boninahitra kokoa an’i Doc Holliday ny seho hotontosain’ny Olombelo Ricky, anio alina. Hatao etsy amin’ny Hôtel le Louvre Antaninarenina izany, manomboka amin’ny 7 ora sy sasany alina. Hamerina hira vitsivitsy an’i Doc Holliday ity mpanakanto ity, mandritra izany. Nanasa mpanakanto namana maromaro izy, hiara-kifarimbona amin’ity zara kanto iray ity.

Nangonin”i Zo ny Aina

 

 

Les commentaires sont fermées.