Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Mananara Avaratra: niharan’ny fitsaram-bahoaka raha avy namono ny reniny

Mananara Avaratra: niharan’ny fitsaram-bahoaka raha avy namono ny reniny

 

 Maty tsy tra-drano ity tovolahy niharan’ny fitsaram-bahoaka tany Mananara Avaratra. Avy namono ny reniny izy io, ary izao tsy namelan’ny olona izao.

Tsy mbola misy fiatraikany ao amin’ny faritra Analanjirofo ny fanetanana amin’ny tsy tokony hanaovan’’ny fokonolona intsony fitsarambahoaka raha misy fandikan-dalana miseho  eo anivon’ny fiaraha-monina. Nisehoana fitsaram-bahoaka tany amin’ny kaominina ambanivohitra Tanibe, distrikan’i Mananara-Avaratra ny harivan’ny alarobia 13 febroary lasa teo.

Novonoin’i Mananjara Gilbert, ho faty ny reniny niteraka azy antsoina hoe Zafiroa 67 taona . Raha ny loharanom-baovao avy any an-toerana, tsy nisy ady na fifamaliana teo amin’ny roa tonta fa avy hatrany dia nandray antsy i Mananjara Gilbert, ary notetehiny toy ny mitetika henan’ omby ny reniny ary tsy namelany raha tsy tapitra ny ainy nahitany masoandro. Taorin’ izay nitsoaka nandositra ny nahavanon-doza. Tsy nanaiky izany kosa kanefa ny fokonolona teo an-tanana ka nanao fomba rehetra nahafahana nanejika azy  ary tratra ihany. Vokany, raikitra ny vono sy daroka tamin’ ity tovolahy ity ary tsy namelan’ny fokonolona ihany koa raha tsy tapitra ny ainy.

Ny loharanom-baovao marim-pototra nilaza fa vokatry ny fifohandrongony nahatonga ity tovolahy ity ho sahy namono nahafaty ny reniny nahitany masoandro. Manao ny fanadihadiana ny mpitandro filaminana.

Sajo sy Yves S.

Les commentaires sont fermées.