Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kidnapping Ambatoboeny: nidoboka am-ponja ny ben’ny Tanàna Ankijabe

Natolotra ny fitsarana ny alarobia teo, ireo 11 lahy sy telo vavy voarohirohy tamin’ny fakana an-keriny sy fandratrana ireo mpandraharaha monina ao Ankijabe, distrika Ambatoboeny.

Rehefa natao ny fanadihadiana, ny Ben’ny Tanàna an’Ankijabe, Mahazoasy Thercis, no isan’ny atidoha nikotrika ny fakana an-keriny an’i Housna Ramjanaly.

Nidoboka ao am-ponjan’ny Marofoto izy 14 mianadahy ireto.
Mbola mitohy kosa ny fikarohana ireo ambiny amin’ireo 40 niara-nanao ity asa ratsy ity.

Voalaza fa anisan’ireo mpiovaova loko mijapy fitondrana misy ilay ben’ny Tanàna, ka niaraka tamin’ny HVM izy teo aloha, ary tamin’ny fampielezan-kevitra teo, nanohana ny laharana faha 13. Rehefa nandeha ny famotorana, tsy afaka ingahy rainy, izay efa mpanao asa ratsy. Miandry ny fitsarana azy izy ireo.

Yves S.

Les commentaires sont fermées.