Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fantina  sy fintina  

 

Manamafy ny Ceni  : « Ny 15 febroary mihitsy vao mifarana ny fandraisana anarana eo anivon’ny fokontany, fa tsy azo atao mialoha izany. Tsy maintsy raisina hatrany ny olona tonga misoratra anarana hatramin’ny anio », hoy ny filoha lefitra, Randriamanantsoa Philibert Hervé, teny Alarobia, omaly.

Toromarika omeny ny lehiben’ny fokontany ny mba hanentanan-dry zareo hatrany ny mponina ao aminy.

Hifidy ny ho filohany ny SMM, anio.  « Hery fiarovana voalohany ho antsika eo am-panatanterahana ny asa ny sendikà. Tsy azo ihodivirana amin’ny ezaka fanatsarana ny tontolon’ny asam-pitsarana manontolo. Manan-danja lehibe ny safidintsika tsirairay avy amin’izany fifidianana ny hitantana ny sendikà izany.”, hoy  ny hafatry ny mpikamban’ny vaomiera manokana misahana ny fifidianana ny ho filohan’ny SMM, ny mpitsara Randrianasolo Randrasana Sandro Ange, teny Anosy, afakomaly. Roa ny kandidà mifaninana. Eo ny filoha lefitry ny SMM tamin’ny fe-potoam-piasana farany, ny mpitsara Clément Jaona. Ny iray, ny mpitsara Andrianiana Franklin James Rakotomahanina.

Les commentaires sont fermées.