Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fanatanterahana ny tetikasa IEM: haorina eny Ivato ny « Trano mora – Building »

Fanatanterahana ny tetikasa IEM: haorina eny Ivato ny « Trano mora – Building »

Mitondra fomba fiasa vaovao ny fitondrana. Anisan’izany ny fitaterana  amin’ny  mpanao gazety ny hevi-dehibe sy misongadina amin’ny filankevitry ny minisitra. 

Efa miroso amin’ny dingana rehetra ho amin’ny fanatanterahana ny IEM ny fanjakana. “Hatsangana eny Ivato amin’ny velaran-tany mirefy 58 ha ny trano mora sy ny “building””, hoy ny minisitry ny Serasera sady mpitondra tenin’ny governemanta, Rakotondrazafy Lalatiana, omaly tetsy Ampefiloha. Nanteriny fa hiara-kiasa amin’ny sehatra tsy miankina ny fanjakana amin’ny fanorenana izany trano fonenana izany. Ankoatra izany, nambarany fa halaina amin’ireo teratany vahiny nividy azy izany tany izany ary hirosoana ny fanadihadiana. “Tsy rariny raha novidina 100 Ar ny metatra toradroa tamin’io tany io… Tsy mazava ka tsy maintsy hofotorana ny momba izany… Haverina amin’ny fanjakana ny tany satria tsy azo ekena intsony ny kolikoly sy ny gaboraraka amin’ny tanim-panjakana”, hoy ihany izy.

200 miliara ariary ho an’ny tantsaha sy ny tanora

Hotohanana ara-bola koa ny tantsaha sy ny tanora amin’ny alalan’ilay tahiry ho an’ny fihariana eo anivon’ny fiadidina ny Repoblika. Mitentina 200 miliara Ar izany fanohanana ny tetikasa izany ary iarahana amin’ny sehatra tsy miankina, toy ny banky. “Ambany ny tahan’ny zana-bola ary hamorain’ny fanjakana ny fanomezana ny vola sy ny famerenana izany. Ho mpiantoka izany rahateo ny fanjakana”, hoy izy. Nanteriny anefa fa anisan’ny fepetra ahazoana ny vola ny famoronana asa ao anatin’ny tetikasa ho an’ireo hiroso amin’izany.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.