Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Traboina ao Andravoahangy: hijery ifotony ny fahasalamana ny dokotera

Nanolotra vary, menaka, fitaovana fanangonan-drano ho an’ireo traboina rava trano sy nesorina amin’ny tranony, etsy Andravoahangy Atsinanana, ny lefitra voalohan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra, Randrianarisoa Olivier, tamin’ny fiandohan’ny herinandro. Ao amin’ny kianja mitafo Besarety no misy ireo traboina amin’izao fotoana izao. Nahazo fanampiana ny traboina 76 misy fianakaviana 18. Nisy ireo efa lasa nody any amin’ny havany. Handefa mpitsabo ny kaominina hijery akaiky ny fahasalaman’izy ireo, indrindra ireo olona bevohoka efa miandry andro, amin’ny fandraisana an-tanana amin’ny fiterahan’izy ireo. Nanentana amin’ny fanajana ny fahadiovan’ny toerana amin’ireo traboina ihany koa ny tale sosialin’ny kaominina, ny Dr Andriantseheno Prisca. Eo ny tsy tokony hanaparitahana ny fako, efa misy ny toeram-pidiovana sy fivoahana ho azy ireo.

Vonjy

Les commentaires sont fermées.