Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Toamasina: ravan’ny polisy ireo andian-jiolahy mpanao fanafihana

Toamasina: ravan’ny polisy ireo andian-jiolahy mpanao fanafihana

Nidoboka am-ponja ao Ambalatavoahangy Toamasina ireo andian-jiolahy tarihin’i Mandignisoa Rolland, raindahiny amin’ny fanafihana mitam-piadiana miharo vonoan’olona tao an-drenivohitry ny faritra Atsinanana. Raha ny tatitra nampitain’ny polisy, andian-jiolahy mpanao fanafihana ao Toamasina ry zalahy ireto ka anisan’izany ireto toerana manaraka efa nanaovan’izy ireo fanafihana ireto : ny tao Valpinson, novambra 2018, ny kioska eo amin’ny tetezana Ankirihiry, nanafika sy nitifitra ka nahafaty olona tao Tanambao Fahadimy, ny 28 janoary 2019, teo amin’ny fiantsonan’ny taksiborosy ao Tanambao Fahadimy, toy izany koa ny tao Tsarakofafa ary tao Mangarano. Nohamafisin’ny polisy hatrany fa mbola ireto jiolahy ireto koa ny isan’ny tompon’antoka tamin’ny fitifirana ilay polisy tao Tanamborizano raha hihazo ny trano fonenany iny izy. Niainga avy amina loharanom-baovao no nahafahan’ny polisy nisambotra ireto jiolahy raindahiny ireto. Mbola eo am-pikarohana ny naman’ireto jiolahy voasambotra ireto ny polisy. Anisan’ireo jiolahy karohin’ny polisy i Vahiny sy i Mamonjisoa izay voalaza fa manana basy Kalachnikov ary nitsoaka aty an-dRenivohitra raha nitsoaka any Ambovombe Androy kosa i Mbiry.

J.C

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique