Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Serasera sy haino aman-jery: mbola be mpanaraka ny radio eto Madagasikara

Serasera sy haino aman-jery: mbola be mpanaraka ny radio eto Madagasikara

Anisan’ny fitaovan-tserasera akaiky vahoaka indrindra ny onjampeo na ny radio ary maro mpihaino sy mpanaraka. Tsy andoavam-bola ary miantoka ny fisitrahan’ny mponina ny fahazoana vaovao maroloko. “Manabe sy mampiala voly”, hoy ny filohan’ny Holafitry ny  mpanao gazety, Rakotonirina Gerard, omaly. Nomarihina tamin’io fotoana io tetsy amin’ny radiom-pirenena Anosy ny Andro maneran-tany ho an’ny onjampeo. Lohahevitra novoizana tamin’izany ny :  “Fifampiresahana sy filaminana ary fandeferana”, araka ny toromariky ny Unesco, tompon-kevitra sy mpikarakara amin’ny fankalazana izany isan-taona.

Hatreto  aloha, 45 ireo radio  eto an-dRenivohitra ary tsy  tafiditra ao anatin’izany ny eny  Atsimondrano  sy Avaradrano. Maherin’ny  300 izany onjam-peo izany manerana ny  Nosy, araka  ny antontanisa sy ny voarakitra eo anivon’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina.

Mbola miavaka raha ho an’ny  tany Afrikanina sasany ny eto amintsika satria ahenoana  onjam-peo samihafa fa tsy vitsivitsy tahaka ny any amin’izy  ireo.

Tsiahivina  fa niara-nianga tetsy Anosy foiben’ny Radiom-pirenena ny fandaharana sasany,  omaly nanamarihana izany.

Synèse R.  

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique