Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Maroantsetra: jiolahy mpamaky trano matin’ny fitsaram-bahoaka

Maroantsetra: jiolahy mpamaky trano matin’ny fitsaram-bahoaka

Tsy namelan’ny fokonolona raha tsy matin’ny fitsaram-bahoaka ny iray amin’ireo jiolahy telo nikasa hamaky trano tao Ankofalava Maroantsetra, ny alatsinainy alina teo. Nentin-katezerana ny olona ka samy namango ilay jiolahy…

Jiolahy iray mpamaky trano indray no matin’ny fitsaram-bahoaka ao amin’ny kaominina ambanivohitra Ankofalava, distrikan’i Maroantsetra, faritra Analanjirofo, ny alin’ny alatsinainy hifoha talata 12 febroary 2019 lasa teo. Andian-jiolahy nikasa hamaky trano ao amin’io kaominina io ry zalahy ireto. Araka ny fampitam-baovao avy any an-toerana, telo lahy ry zalahy no niaraka tamin’io fotoana io, kanjo nisy nahatsikaritra ny fikasan-dratsin’izy ireo ka nifampiantso avy hatrany ny fokonolona eo an-tanàna. Raikitra ny fifanenjehana taorian’izay, saingy tafaporitsaka ny roa lahy raha azo sambo-belona kosa ny iray. Tsy nisy alaharo fa fitsaram-bahoaka avy hatrano ny nahazo ilay jiolahy sahabo ho 35 taona ary tsy namelan’ny fokonolona raha tsy tapitra ny ainy. Fantatra tamin’ny angom-baovao hatrany fa tsy mbola tafiditra ny trano ary tsy nahazo na inona na inona fa efa fantatry ny mponina ao an-tanàna fa mpangalatra izy iretp. Eo am-pikarohana ireo namany tafaporitsaka ny fokonolona any an-toerana. Nambaran’ny loharanom-baovao hatrany fa tsy matoky ny fitsarana sy ny mpitandro filaminana intsony ny fokonolona ka tsy resy lahatra amin’ny hitondrana ireo jiolahy eny amin’ireto ambaratongam-pahefana ireto. Mitondra faisana avy hatrany kosa izay tratran’ny olona. Na eo aza izany, anjaran’ny mpitandro filaminana sy ny fitsarana ihany no afaka manao fanadihadiana ireny olona voarohirohy ho nandika lalàna ireny. Tokony hahatonga saina ny jiolahy koa ny trangan-javatra toy izao satria leo amin’ny afitsoky ny asan-jiolahy ny olona.

Sajo sy J.C

Les commentaires sont fermées.