Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ligue des champions any Eoropa: vonona amin’ny ¼-dalana ny Paris St Germain

Ligue des champions any Eoropa: vonona amin’ny ¼-dalana ny Paris St Germain

Nahomby ny paikady ho an’ny Paris-St-Germain nandritra ny lalao ampahavalon-dalana mandroso ny “Champion’s league”, taranja baolina kitra. Tamin’ny isa 2 no ho 0, ny talata alina lasa teo, ny nandreseny ny Manchester United. Nahavita dingana lehibe ity solontena frantsay ity satria ny tompon-tanána mihitsy izao nomontsaniny izao. Niady ary nifamaliana ny fanafihana, saingy samy tsy nisy nahita hirika nampidiram-baolina ny roa tonta nandritra ny fizaram-potoana voalohany. Nanova paikady teo amin’ny fizaram-potoana faharoa ry zareo Frantsay ary nahitam-bokany izany taty amin’ny minitra faha-53, rehefa nahatafiditra baolina i Presnel Kimpembe. Tsy nijanona tamin’io, mbola nampian’i Kylian Mbappé ny isa, teo amin’ny minitra faha-60. Tsy niova intsony io isa io na nanao izay faraheriny aza ry zareo Mancuniens. Isa 2 no ho 0, araka izany, ny nisarahana taty amin’ny fiafaran’ny fotoana ara-dalàna. Taorian’iny fihaonana iny, efa tsara toerana ry zareo PSG, mbola handray ny lalao miverina afaka andro vitsy ary sarotra ny hieritreritra fa mety mbola hitsimbadika ny vokatra. Na izany aza, efa nitranga hatrany ny fivadihan’ny vokatra tamin’ireny lalao miverina ireny. Tsiahivina fa hotanterahina any amin’ny Stade de France ny lalao famerenana. Teo amin’ny ampahavalon-dalana ilany, resin’i AS Roma, tamin’ny isa 2 no ho 1, ny FC Porto.

 

Mi.Raz

Les commentaires sont fermées.