Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hopitaly CHU Mahajanga: nohavaozina ny fitsaboana ireo sembana amin’ny vatana

Hopitaly CHU Mahajanga: nohavaozina ny fitsaboana ireo sembana amin’ny vatana

Nohavaozina ny tobim-pitsaboana ho an’ireo sembanana amin’ny vatana ao amin’ny hopitaly CHU Androva, Mahajanga, tamin’ity fiandohan’ity volana ity. Nasiam-panaovazana ny fitsaboana azy ireo amin’ny alalan’ny fotodrafitrasa  sy ny fitaovana. “Manaraka ny fenitra iraisam-pirenena sy manana ny kalitaony ny fitsaboana ato amin’ny Service  d’appareillage et de rééducation na SAR, ho fitsaboana indrindra ireo sembana amin’ny vatana. Maimaimpoana ny fikarakarana ny zaza mivadi-tanana sy mivadi-tongotra, ary raisina an-tanana ny fanabeazana ny olona tsy tomombana amin’ny vatana hananan’izy ireny fizakantena”, hoy ny Pr Tiandaza Dinaraly Odilon, talen’ny CHU Androva.

Marihina fa anisan’ny manampy betsaka eo amin’ny lafiny fanamafisana traikefa ho an’ny mpiasa eo anivon’ny SAR ny fikambanan’ny mpitsabo sembana eto Madagasikara (Association de médecine physique et de réadaptation). “Mahery” ny anaran’ny tetikasa mijery manokana ny olona manana fahasembanana. Nanomboka ny taona 2018 no niasany any Mahajanga ary telo taona ny faharetany. Maherin’ny 100 izao ireo zaza efa noraisin’izy ireo an-tanana notsaboina maimaimpoana ; 1 000 ny tanjona napetraka. Mamatsy vola ny tetikasa sy manome tohana teknika azy ireo ny fikambanana iraisam-pirenana Christoffel Blinden Mission miasa eto Madagasikara.

Tombontsoa manokana ho an’ny faritra Boeny izao fotodrafitrasa izao amin’ny fanampiana ny olona sembana hanana fahaleovantena tokoa izy ireo, ary fototra iray lehibe mitondra fanavaozana ny SAR.

 

R.Mathieu

Les commentaires sont fermées.