Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hopitalibe Toamasina: hitory noho ny tandrevaky  ny mpitsabo ny havan’ilay maty

Hopitalibe Toamasina: hitory noho ny tandrevaky  ny mpitsabo ny havan’ilay maty

Taorin’ny tsy fahombizan’ny fitsaboana an’i Hortencia, renim-pianakavina 46 taona nararin’ny fibrone ary maty noho ny fandidiana azy tao amin’ny Hopitalibe Toamasina, fantatra  fa hametraka fitoriana ny fianakavian’ny maty. Raha iverenana ny zava-nitranga, naiditra

Hopitaly, ny alahady 10 febroary lasa teo, noho io aretina nahazo azy io, ity renim-pianakaviana ity ary naiditra tao amin’ny efitrano fandidiana ao amin’ny Hopitalibe Toamasina ny maraina. Tsy tafavoaka tao izy raha tsy tamin’ny 4 ora tolakandro ary mbola tsy nahatsiaro tena. Nentiny mandra-maty izany tsy fahatsiarovan-tena izany, ny alatsinainy  tokony ho tamin’ny 3 ora maraina.

Araka ny angom-baovao teo anivon’ny fianakaviana hatrany, indroa nanaovana fanafody tsy ahenoana fanaintainana (anésthésie locale) ilay renim-pianakaviana handalo fandidiana. Mbola nampiana “anésthésie générale” indray avy eo. Ankoatra izay, teo amin’ny fomba fanjaraina ny kibony, lazain’ireo mpitsabo hafa sy ny fianakaviana fa toy ireny nanjaitra kitapo gony ireny ny nanaovan’ny mpitsabo azy. Nohamafisin’ny fianakaviana hatrany fa tena antandrevaka fotsiny izao ity nataon’ny dokotera ity. Izy rahateo, efa tokony hifindra toeram-piasana any Brickaville fa mbola mijanona ao amin’ny Hopitalibe Toamasna hatrany. Ny talata maraina teo no nihazo an’i Soanierana Ivongo misy ny fasan-drazany ny razana izay namela kamboty mianadahy.

Sajo

Les commentaires sont fermées.