Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hampihenana ny rano: nodiovina ireo lakandrano

Nanohy ny asa fanadiovana tatatra sy lakandrano ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny boriborintany fahatelo, omaly. Tanjon’ny asa ny fampihenana ny fisondrotan’ny rano eny amin’ny toerana iva. Faritra maro ao amin’ny boriborintany fahatelo ny nanatanterahana izany: i Besarety, Ampandrana, Andravoahangy Atsinanana, i Mahavoky sy ny manodidina. Natomboka eo Rasalama mihazo an’i Besarety midina hatrany amin’ny Garage David ny fanadiovana lakandrano manamorona ny arabe sisiny roa. Vinavinaina ho vita ao anatin’ny efatra andro ny asa fanalana ny fako sy ny fasika. Nanatanteraka ny asa ny “équipe mobile d’intervention” miisa 16 lahy sy ny ekipan’ny boriborintany fahatelo efatra. Anio, hanatevina ny hetsika ny ekipa avy ao amin’ny sampana misahana ny asa vaventy mahatratra 16. Rehefa vita ny fanadiovana lakandrano rehetra, hodiovina koa ny lakandrano lehibe ao Besarety sy ao Mahavoky sy ny manodidina.

Vonjy

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique