Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fahefan’ny filoha: nankatoavin’ny HCC  

Fahefan’ny filoha: nankatoavin’ny HCC   

 

Namoaka fanambarana araka ny fanapahan-kevitra noraisiny ny eo anivon’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana,  (HCC), omaly. Nivoitra tamin’izany ny momba ny fahefan’ny filoham-pirenena amin’izao fahabangan-toeran’ny solombavambahoaka, efa tapitra fe-potoam-piasana, izao. «Manan-kery ary azo ampiharina ny lalàna n°2019-001, manome fahefana ny filohan’ny Repoblika hanao lalàna. Mitsahatra io manomboka amin’ny fivoriana ara-potoana voalohan’ny solombavambahoaka voafidy amin’ity 2019 ity », hoy ny eo anivon’ny HCC.

Midika izany fa afaka mitondra fanitsiana ny tetibolam-panjakana ny filoham-pirenena raha toa ka ilaina izany.

Ankoatra izany, nankatoavin’ny HCC araka ny fanapahana noraisin’izy ireo omaly fa  mifanaraka amin’ny lalàmpanorenana ny lalàna hifehy ny fifidianana solombavambahoaka, hotanterahina ny 27 mey ho avy izao. Na izany aza, nisy ihany ny andininy nitondran’ny mpitsara avo etsy Ambohidahy fanamarihana momba izany.

Azo tanterahina sy hirosoana izany ny fifidianana depiote.

Randria

 

Les commentaires sont fermées.