Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ankaraobato: vehivavy hita faty, tsy misy rantsam-tanana

Ankaraobato: vehivavy hita faty, tsy misy rantsam-tanana

Nampihoronkoditra! Fatim-behivavy iray no hitan’ny olona teny amin’ny fokontany Ankadilalampotsy, kaominina Ankaraobato, omaly maraina. Raha ny fahitana ny razana, tsy misy tongotra intsony, efa niendaka ny nofon-tratrany fa taolana sisa. Tsy hita intsony koa ny taova rehetra tao anatiny (fo, aty…). Taolana sisa hita, tsy vitan’izay fa karandoha sisa hita fa efa nihintsana avokoa ny nofo rehetra tamin’ny hoditra amin’ny lohany. Tsy hita intsony koa ny tanany roa. Tao anaty lobolobo somary kirihitra ny nahitan’ny olona ny fatiny ka ny vatany sisa hita. Nivarahontsana avokoa ny olona nahita ity fatim-behivavy efa simba ity. Tsy misy namantarana azy intsony. Hatreto, tsy fantatra mazava izay tompon’antoka amin’ity vonoan’olona mahatsiravina ity. Fa raha ny fahitana azy, efa novonoina tany an-toeran-kafa ity vehivavy ity mialoha ny nanariana azy teny Ankadilalampotsy. Mitaintaina indray ny ankamaroan’ireo mponina eny amin’ny fokontany Ankadilalampotsy noho ny fisian’ity fatin’olona ity. Tsy mandry fahalemana hatrany ny tanàna amin’ny afitsok’ireo jiolahy sy ny mpamono olona. Andrasana, araka izany, ny tohin’ny fanadihadiana momba ity vonoan’olona feno habibiana ity.

J.C

Les commentaires sont fermées.