Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Amboasary Atsimo: nanampy sy nankahery ireo traboina ny Airtel

Amboasary Atsimo: nanampy sy nankahery ireo traboina ny Airtel

Tsy nitazam-potsiny ireo fianakaviana traboina 218 tafo tojo haintrano any Amboasary Atsimo, ny herinandro lasa teo, ny Airtel Madagascar. Nidina tany an-toerana ity orinasa ity, notarihin-dRandriamaro Ardin, nijery maso ny fahasahiranan’ny mponina sy nitondra fanampiana ho azy ireo toy ny vary 28 gony.

Nampiseho firaisankina sy nankahery ny mponina ny nataon’ny Airtel. “Eo akaikin’ny mpanjifa mandrakariva izahay amin’ny fotoam-pifaliana na amin’ny fotoan-tsarotra. Mahakasika anay koa izao loza izao, mahatonga ny fianakaviamben’ny Airtel mifanome tanana amin’ny fotoam-pahasahiranana ho tombontsoan’ny rehetra… », hoy ny tale jeneralin’ny Airtel, i Maixent Bekangba.

Tsy mampandroso ny lafiny teknolojia ihany ny Airtel fa mitondra vahaolana amin’izay rehetra mety ho sakana amin’izany, toy izao haintrano nitranga tany Amboasary Atsimo izao.  « Mavesatra ny fahavoazana raha ho an’ireo mponina ireo, sarotra ny manarina azy. Koa manome hery ho azy ireo ny fanampiana toy izao », hoy ny lehiben’ny distrikan’Amboasary Atsimo, Andriamaro Jovin Thomas.

Tafiditra ao anatin’ny andraikitry ny orinasa eo anivon’ny fiarahamonina (RSE)* ny nataon’ny Airtel, manambara ny fahavononany mitondra fampandrosoana maharitra eto amin’ny firenena.

 

R.Mathieu

RSE* : Responsabilité sociétale de l’entreprise

Les commentaires sont fermées.