Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

14 febroary: tsy an’ny Malagasy ny « Fetin’ny mpifankatia »

14 febroary: tsy an’ny Malagasy ny « Fetin’ny mpifankatia »

 Tsy nanao « fety » izany ny Malagasy ! Tsy azy ny « Fetin’ny mpifankatia » fa vao nitsofoka na natsofoka eto Madagasikara, taty aoriana. Tsy nisy lanjany teo amin’ny Malagasy ny 14 febroary fa toy ny andro rehetra ihany. Tsy nampiasa fanisana andro vahiny rahateo izy fa nanaraka ny fihetsiky ny volana sy ny masoandro. Nampiasainy tamin-javatra maro io. Anisan’izany ny fambolena sy fiompiana, sns.

Tao anatin’ny taona vitsivitsy anefa izay, mihazakazaka any amin’ny fanindrahindrana ny « Fetin’ny mpifankatia » ny Malagasy sasany. Toa lasa andro fanararaotana hitadiavam-bola ihany koa, ho an’ny hafa, ny 14 febroary. Ao ny mikarakara fety ho an’ny mpifankatia, hono. Fety misy vidim-pidirana, hamoronana izao karazan-tsakafo maneho fifankatiavan’olon-droa izao, sns. Vola avokoa izany !

… Ny maha samy hafa azy roa ireo : ny iray, « lamban’akoho, faty no hisarahana ». Ny faharoa, « hararaoty fa amin’ny herintaona indray vao misy 14 feboroary » !

HaRy Razafindrakoto

 

Les commentaires sont fermées.