Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

USAID: manohana ny ady amin’ ny kitrotro

USAID: manohana ny ady amin’ ny kitrotro

Anisan’ny manohana ny fanjakana malagasy ao anatin’ny fiatrehana ny valanaretina kitrotro ny USAID ary mandray anjara mivantana amin’izany izy ireo. 35 taona niarahana niasa ny minisiteran’ny Fahasalamana sy ny USAID ary manana anjara toerana lehibe ny fisorohana sy ny fandraisana an-tanana ny aretina maro. Voaresaka tao anatin’ny dinika niarahan’ny minisitry ny Fahasalamana, ny profesora Rakotonirina Julio, sy ny tomponandraikitra ao amin’ny masoivoho amerikanina, i Wilson Stuart, ary ny mpitantana ny USAID eto Madagasikara, i John Dunlop, ireo. Hohamafisina ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta satria mifanandrify amin’ny fandaharanasan’ny fanjakana malagasy rahateo ny hametraka rafi-pahasalamana eny anivon’ny fiarahamonina. Nitsidika ny minisitra vaovao eny amin’ny toeram-piasany izy ireo tamin’ny fiandohan’ny herinandro.

Les commentaires sont fermées.