Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tsy nahazo  fahafahana vonjimaika: naverina any am-ponja Ratsiferana Hugues, mpanolotsaina teo aloha

Tsy nahazo  fahafahana vonjimaika: naverina any am-ponja Ratsiferana Hugues, mpanolotsaina teo aloha

Naverin’ny fitsarana any am-ponja notanana vonjimaika (MD) Ratsiferana Hugues, mpanolotsain’ny filoha teo aloha. Notanterahina, omaly tetsy amin’ny fitsarana Anosy, ny raharaha maha voarohirohy azy ho namoaka an-tsokosoko ny entam-panjakana teny Ambohitsorohitra, ny alahady 25 janoary teo. Teo koa ilay namany iray, ahina ho mpiray tendro sy tsikombakomba aminy. Niezaka nangataka ny fahafahana vonjimaika (LP) ho azy ny mpisolovava, saingy nolavin’ny fitsarana izany.

Hivoaka ny 19 febroary ny didy

Hivoaka ny 19 febroary izao ny didim-pitsarana momba azy ireo. Nanomboka ny maraina mandra-pahariva ny andro ny fihainoana azy ireo tamin’izany. Anisan’ny naha voarohirohy azy ireo ny nanapitsohana ny varavarana, ny fakana ireo entana samihafa toy ny solosaina, ny latabatra… Notaomina ireo entana ary nentina nankeny Ampasanimalo, trano fonenany. Nosamborina, ny herin’ny zoma teo, izy ireo ary nohadihadian’ny zandary etsy amin’ny Toby Ratsimandrava. Nitohy ny herin’ny asabotsy teo izany ary naharitra ora dimy ny fakana am-bavany azy ireo tetsy amin’ny fampanoavana. Mpitory tamin’izao raharaha izao ny eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika ary nanana mpisolovava niatrika ny fitsarana, omaly tetsy Anosy, tamin’ny alalan-dRatovondrajao Fredon.

 Nanomana ny Frankofonia… 

Tsiahivina fa mpanolotsain’ny filoha teo aloha, Rajaonarimampianina, ny tenany. Efa niandraikitra sy nisahana ny fikarakarana sy fanomanana ny Frankofonia (OIF) natao teto amintsika, ny taona 2016 ireny, izy. Tsy fantatra na voaloa daholo na tsia ny volan’ireo mpandrahara niasa tamin’io hetsika lehibe io. Eo koa ny nanaovany sonia fifanarahana amin’ny firenen-dehibe iray tamin’ny taon-dasa, mbola teo ny fitondrana teo aloha ka nampidirana sambo miisa 300 handraoka ny hazandranomasina eto amintsika ao anatin’ny 10 taona.

Randria

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique