Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Toamasina: nisy nandroba ny fakan-tsarin’ireo mpizahatany  

 

Na teo aza ny fisian’ireo polisim-pirenena sy ireo monisipaly manara-maso tao amin’ny tsenan’i Bazaribe Toamasina isaky ny fandalovan’ny sambo lehibe mitondra mpizahatany, tsy kely lalana hatrany ireo jiolahy manao fihetsika mitondra henatra ho an’ny firenena. Tsy ny fanaraha-maso ihany no ataon’ny polisy fa hatramin’ny fanapahan-dalana amin’ny fisian’ireo fiara sy moto ary posy miditra ao amin’ny faritry ny tsenan’i Bazaribe Toamasina rehefa tonga ny vahiny. Nigadona tao Toamasina, ny alatsinainy 12 febroary 2019 teo, ilay sambo lehibe mpitondra mpizahatany mitety izao tontolo izao Costa Victoria ary namaha tady ny tolakandro nanao veloma an’i Toamasina tamin’ny 1 ora sy 30 mn. Nandritra ny fitsidihan’ireto teratany vahiny tao amin’ny tsenan’i Bazaribe Toamasina ary raha samy variana mijery sy mividy ny asa tanana vita malagasy ireto vahiny no nisy nanao sinto-mahery ny fakan-tsary teny am-pelatanan’ny vazaha iray, raha toy izany koa ny nahazo ny vazaha iray faharoa raha sendra niresaka tamin’ny telefaonina finday. Lasa nitsoaka avy hatrany ireo jiolahy. Goragora tanteraka, araka izany, ny fiarovana ireny mpizahatany mandalo eto amintsika ireny.

J.C

Les commentaires sont fermées.