Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Polisy monisipaly: nahazo fanampiana sy traikefa

Hatevenina ny fahaiza-manaon’ny polisy monisipaly eto amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Tafiditra amin’izany ny fanatsarana sy fanatevenana lalàna sy ny fampiharana izany, ankoatra ny fahaiza-manao hafa. Polisy monisipaly malagasy monina sy miasa any Frantsa, ny capitaine de police monisipaly any Polletres Frantsa, Rakotomanana Soulé, no mitondra ny fahaiza-manaony sy mizara ny traikefany ho an’ireto polisy monisipaly malagasy eto Antananarivo. Mandritra ny fotoana andalovany eto an-tanindrazana ny anantanterahany izany, “misy ihany koa fampitaovana toy ny fanamiana nentiny ho an’ireo polisy monisipaly”, hoy ny lehiben’ny polisy monisipaly, Rakotovololona Christophe. Isan-taona, misy polisy monisipaly avy any Frantsa tonga eto amintsika mizara ny traikefany.

Les commentaires sont fermées.