Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Minisitera -ONG Efa: beazina ho vanona ny mpianatra

Minisitera -ONG Efa: beazina ho vanona ny mpianatra

Hatramin’izay, mijanona eo amin’ny kilasy 3ème ny fanabeazana ho olom-pirenena vanona ao anatin’ny fandaharam-pianarana eto amintsika. “Misy sekoly sasany manohy ihany aty amin’ny kilasy ambony fa voasarona anatin’ny taranja histo-géo matetika izany”, hoy ny mpandrindra ny ONG Ezaka ho fampandrosoana eny ambanivohitra (Efa). Tanjon’ny ONG ny fanatsarana ny rafi-piarahamonina amin’ny fanabeazana olom-pirenena ka hiezaka hanabe mpianatra vanona manomboka amin’ny kilasy 2nde hatramin’ny famaranana izy ireo. “Ao anatin’ny fanomanana ny fotoana mahafeno taona azy ireo ny mpianatra ary misy ny andraikitra tokony ho fantany manoloana izany”, hoy ny filoha mpanantanteraka ny Efa, Randrianarijaona Haja Thierry. Distrika telo any ambanivohitra: Ambatolampy, Arivonimamo ary i Manjakandriana no itondrana ny fanabeazana ety am-piandohana. Hamolavola lohahevitra alefa ao anatin’ny fandaharan’ny radiom-pirenena mivoy ny fanabeazana ho olom-pirenena vanona ny tomponandraikitra. Hoentanina ny mpianatra sy ny mponina hihaino ny fandaharana ka hisy ny kilalao handrefesana ny fandraisana ny hafatra nampitaina. Lycée iray isaky ny distrika ny hisantarana ny fanabeazana.

Miasa eny ambanivohitra manampy vondron’olona na fikambanana amin’ny fananan-tany, ny fanjarian-tsakafo, ny fampianarana ny tantsaha amin’ny teknikam-pambolena mahomby ny Efa.

Noraiketina an-tsoratra, omaly, ny fifanarahana iarahan’ny ONG sy ny minisiteran’ny Fanabeazana mifandraika amin’ny fanabeazana mpianatra vanona ho an’ny ambaratonga fahatelo.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.